FIZARANA CONTRAT DE TRAVAIL HO AN’IREO MPANABE EPP
FANABEAZANA, FOTOTRY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY Notanterahina androany tao amin’ny lapan’ny Faritra ny fizarana ireo contrat de travail hoan’ireo mpanabe ao amin’ny Prescolaire eny anivon’ny EPP.Izany dia ho setrin’ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena nandritra ny fandalovany teto Fianarantsoa ny amin’ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpanabe prescolaire izay nitaraina mafy noho ny fahasahiranana amin’ny maha mpampianatra FRAM azy […]