11 Febroary 1975 – 11 Febroary 2020 : 45 taona
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana Fahatsiarovana ny COLONEL Richard RATSIMANDRAVA sy ireo mpitandro filaminana maty teo ampanatanterahana ny iraka nampanaovina azy
Notanterahina teny amin’ny Tobin’ny Zandarimariam-pirenena eny Tsaramandroso ny lanonam-pahatsiarovana ity datin’ny 11 Febroary ity niarahan’ny miaramila, ny Zandarimaria ary ny Polisy , ary nanasana ireo
tompon’Andraikim-panjakana eto an-toerana.
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ny fotoana ka nitondrana am-bavaka ireo miaramila, ireo zandary ary ireo polisy lavo teo ampanatanterahana ny asany.Ny andinin-teny ao amin’ny Matio 5:13-14 no nandraisana ny Lohahevitra : »Hianareo no fanasin’ny tany; hianareo no fahazavan’izao tontolo izao »
Taorian’ny fotoam-pivavahana dia niroso tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny 11 Febroary.
Nampahery ireo mpitandro filaminana eo am-perin’asa ny Jeneraly Kaomandin’ny Farim-piadidian’ny Zandarimaria Faritany Fianarantsoa,tamin’ny lahateny nataony.Hoan’ny Faritanin’i Fianarantsoa dia mpitandro filaminana efatra no namoy ny ainy teo amperin’asa tamin’iny taona 2019 iny.
Mafy ny asa miandry ny mpitandro filaminana , hoy izy, nefa tondrozotra arahina ny fiofanana nomena ary indrindra ny tenin’ny Kolonely RATSIMANDRAVA Richard manao hoe « Tsy hiamboho adidy… » fa vonona kosa amin’ny fotoana rehetra, amin’ny toe-javatra rehetra, hanompo ny Tanindrazana, ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany.
Ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony dia mankasitraka ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana eto amin’ny Faritra, izay hita fa misy vokany azo tsapain-tànana ary mampahery sy vonona hanolo-tànana hatrany amin’ireo asa maro miandry mba hitazomana izany fandriampahalemana izany